Ny Trano Kolotoraly Malagasy Andafy - Maison De La Culture De Madagascar

Ny Trano Kolotoraly Malagasy Andafy - Maison De La Culture De Madagascar Ny Trano Kolotoraly Malagasy dia niforona taloha kelin'ny Tolona 29 mars 1947, notarihin'i Dokotera Rakotonirainy sy Dama Ntsoha ary ireo Tia TanindRazana
(5)

La Maison de la culture de Madagascar est un institut international d'origine franco-malgache d'enseignement, de recherche scientifique (éthnologie), de développement et sauvegarde de la civilisation, de la langue orientale notamment "MALAGASY" et du monde austronésien. Nous sommes en partenariat du réseau de l'ALLIANCE Française, de représentants permanents de l'UNESCO, de l'INALCO CROIMA, de commonwealth, de réseau universitaire de département langue française et/ou malagasy. Nous étudions les moeurs, us et coutumes de différents tribus de Madagascar depuis la langue de l'IMERINA (langue officielle commune), l'Antemoro (origine de Sorabe et Fanandroana...), l'histoire de chaque région via les Ampanjaka et les responsables tradi-praticiens comme les marabouts, sorciers, DadaRabe, Mpanandro, Mpisikidy, Mpimasy, Mpitana Hazomanga, Tangalamena,... Les fomba malagasy ou moeurs comme les transes du TROMBA, le chamanisme sauvage, les Kalanoro, les Vazimba, Zazavavindrano, Ala faditra, tsiny, tody, anjara... Nous sommes affiliés à la ligue des enseignements et dispense de formation de la langue Malagasy, Français Langue Etranger ... Nous sauvergardons par la pratique et perpétré les us et coutumes ancestrales des ancêtres (Ntaolo) et apprenons aux enfants, adultes intéressés par nos moeurs. Nous faisons de recherche scientifique de l'impact de l'arrivée de missionnaires chrétiennes (la Bible avant le canon) et la colonisation des européens en Afrique actuellement sur les traits de caractères de pays francophones vis à vis des anglophones. Nous invitons chacun(e) d'entre vous à joindre notre cause pour l'amour inconditionnel de chère Patrie, le FIHAVANANA et la fraternité de peuple du monde.

Fonctionnement normal

30/12/2020
"NY FANDROANA NA TAOMBAOVAO"(Ahitsio izay diso,ampio izay tsy ampy ary hevitra no ampiadiana)Ny hoe Alahamady dia teny a...
25/04/2020

"NY FANDROANA NA TAOMBAOVAO"

(Ahitsio izay diso,ampio izay tsy ampy ary hevitra no ampiadiana)

Ny hoe Alahamady dia teny arabo nogasiana milaza anaram-bolana sy anaram-bitana ary anaran'ny zoro avaratra antsinanana. Ny volana Alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana.
Ho fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany Ralambo dia nataony amy ny volana Alahamady ny fandroan'andriana ka Alahamadibe no iantsoana io andro iray amy ny volana Alahamady hanaovana ny fandroan'andriana io. Lasa fomba fiheverana fa io fitsingeranan'ny fahatsiarovana ny andro nahaterahan-dRalambo io no lasa tonon-taona sy noheverina ho toy ny voalohan'ny taona na "Asaramanitra". Tamy ny Ralambo dia nifanindry ny Alahamadibe sy ny Fandroan'andriana ary ny asaramanitra. Niova andriana moa niova sata taty aoriana
- Tamin' Andrianampoinimerina dia nampifandrifiana tamy ny alahamaly antemoro ny alahamady teto Imerina araka ny torohevitry ireo antemoro mpanolotsaina azy, izany hoe raha mitaha amin'ny fanisantaona gregoriana dia teo amy ny volana martsa-aprily ny alahamady merina. Andrianampoinimerina dia teraka tamy ny volana alahamady ary alahamady no vintany.
- Nanomboka Radama I no nisy ny alimanaka voalohany izany hoe fanoratana mialoha amin'ny bokikely ny tetiandro ho an'ny taona iray.
- Tamy ny Radama II Mpanjakan'i Madagasikara (1861-1863) dia nasiana fanitsiana indroa ny fanisan'andro malagasy satria dia nihoatra 300 andro mahery.
- Tamy ny Ranavalona III Mpanjakan'i Madagasikara (1881-1896), vokatry izany rehetra izany, dia tsy fantatra intsony ny tena andro vava alahamady amin'ny volana alahamady satria samy manana ny fanisany andro ny mpanandro ka novainy amin'ny 22 Novambra andro nahaterahany ny fiandohan-taona. Dia tahaka’izay ny fiovaovany dia anjarantsika no mijery hoe aiza no aiza izany no hankalazaintsika azy..
Ralambo, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina irery ihany no mpanjaka teraka Alahamady, nitazona ny Fandroana amy ny Alahamady. Ny ambiny rehetra dia tsy teraka Alahamady fa nitazona ny Alahamady ho andro Fandroana. Ranavalona ll sy lll irery ihany kosa no namindra ny Fandroana ho amin'ny andro nahaterahany, fa tsy nanova ny calendrier na fanisan'andro mihitsy akory izy ireo izany hoe ny Fandroana no niova andro fa ny Alahamady dia nijanona ho amy ny andron'ny Alahamady ihany saingy tsy fandroana intsony.

Mazava be ny fitondran'ny Andriamanjaka Merina ny fanaovany fandroana. Izay andro iharenan'ny vintany,izay andro iandrianan'ny vintany, izay andro manambina azy no nanaovany azy,misy ny Mpanao ody andro,ny Mpanao hitsakandro,ny Mpanandro izay nikarakara momba izay fandroany izay.
Aminy fomba amam-panao Imerina dia tsara indrindra amy ny Andro anasoavana ny tany sy ny vahoaka ny andro Alakamisy,andro samy manana ny tonony, matetika dia rehefa tsy fivoahan'ny andriana dia fanamasinany ny tenany na ny taniny na ny sampy, dia iny ilay asondrony zoma,maha andro misondrotra ny zoma, Lahy Manjaka tsy maintsy mazava be fa izay androny ananany ny Mahafefy sy Mahavory ny Famamy hoditra no itondrany azy sns...
Ranavalona || sy ||| nanao azy ho hafa satria ny andro samy manana ny tonony,dia samy hafa ny andron-dahy sy androm-bavy, tahaka ny Alakamisy sy zoma ihany, Alakamisy any lahy, ny zoma andrombavy.
Mazava fa tsy tokony hampisy olana satria ny fanandroana sy ny fitetezana andro dia izay tsanganolona mitondra azy no anaovana azy, ataoko fa tsy hisy kosa olona teraka Alakarabo dia ankalaza fandroana Alakaosy.
Marina ny hoe resaka vokabary, satria izay daholo no manamarika ny tonon-taona ho an'ny foko rehetra teto, foko 18 no matetika voalaza, fa anatin'ireo mbola misy tety andro maro samy hafa be dia be, ary ny toetry ny andro sy fiakarany vary amin'ireo foko ireo, sy isaky ny faritra no iny fa mampisy fomba fanisana tsy mitovy
Ny fambara omeny zavaboary dia ahafahana mahalala anio.
Ny zoro firarazana mbola misy tantaran'ny tahaka io tonontaona io ihany koa.

Matetika no miteraka resabe ny vanimpotoana ankalazana ny taombaovao Malagasy na Fandroana.
Tsy tokony ipetraka intsony anefa ny olana satria ny taombaovao dia manaraka ny vanimpotoana fijinjam-bary.
Satria ny vary no fotontsakafon ny gasy, dia rariny raha amin ny vanim-potoana mahavokatra ny vary no taombaovao ho antsika.
Dia tsy inona akory izany fa ny vanim-potoana "fararano".
Antony iray hihinana "vary" tondra-dronono sy tantely izany rehefa tonga ny taona vaovao.
Samy manana ny fandraisany azy anefa ny tsirairay fa raha ho anay manokana dia ny vanim-potoana fararano no ankalazanay azy.
Ary voamarina ao amin ny boky tantaran'andriana,tantaran'ny malagasy manontolo,firaketana,fomba malagasy,tsiambaratelon'ny fanandroana,sns fa ny taombaovao ho an'ny gasy dia amin ny vanimpotoana fararano.
Ka raha gasy homam-bary dia tsy misy hisalasalana intsony ny amin'izany.
Saingy safidy ny any tsirairay.
Gasy isika fa tsy vazaha na arabo na jiosy na sinoa na karana ka aleo ny fomban-tsika no hajaina.

Lahatsoratr'i JR IFALINA.

PITIKEVITRA
16/10/2019

PITIKEVITRA

PITIKEVITRY NY DIABETA , AHOANA NY HISOROHANA AZY ?

" La médecine est un art, non une science exacte et rationnelle" Déclaration de Saint Vaincent

Ny fitsaboana dia fahaizana manokana, fa tsy fahalalana azo antoka sy miorina ara-tsaina. Tsimaito (Dika malalaka)

Nahalasa saina ny filazana teto amin'ny aterineto indray maka nanao hoe :" mandroso tsara ny resaka fitsaboana natoraly fa aiza ireo manam-pahaizana momba izany eo amin'ny fampiharana azy ?

Fa hono ary hoy isika hoe : angaha moa niara-teraka ny fitsaboana mahazatra ( médecine traditionnelle) sy ireo mpitsabo nanatanteraka azy ?

Tsy matetika aza ve tsy mpitsabo foana no nampandroso ny fikarohana teo amin'ny asa fitsaboana , Ohatra tsy adiono momba izany i Louis Pasteur izay namorona ny vaksinin'ny haromotana.

Na izany na tsy izany anefa dia azo atao ny mamaritra ihany ny atao hoe aretina eto ampiaingana ka ny diabeta no resahina etoana.

Ny FAHASALAMANA izay mifanohitra amin'ny atao hoe aretina moa dia azo apetraka ho FIRINDRANA tanteraka eo amin'ny tena iray manontolo.

Marihina ihany koa fa ao ny rofy izay endrik'aretina tsy lalim-paka ka nahatonga ireo Manampanahy (Ntaolo) nanao hoe " Raha sery vitan'anamalaho re aza amonoana vatotr'akoho".

Ny diabeta ary moa izany dia aretina iray amin'ireo 20 000 araky ny fanisana nataon'ny fihombonana ara-pitsaboana ( communauté médicale ) amin'izao fotoana izao ka ao anatiny ihany koa ireo trangan'aretina 14 mpiaraka aminy.

Marihina fo ho andry zareo frantsay dia misy 30 ireo ataony hoe " ALD = Affections de longue durée izay aretina lamban'akoho ka faty no isarahana raha tsy misy ny fahasitranana ka IRAY ao anatin'izany ny diabeta.

Ahoana ary izany ny fomaba ahazoana miala amin'ity diabeta ity satria tena areti-mandoza ary lasa mandrakotra ny tany (andémique) ?

Efa nambarantsika moa tany aloha fa misy anton-javatra TELO lehibe no mety ahavoan'ny diabeta ny olombelona iray dia ny tarazo (gènes) ny siramamy fotsy voahodina ( sucre raffiné) sy/ na ny tavin-kanina ( graisses) na ireo poizina (toxines) avy ivelan'ny tena sy/na avy any ivelany.

Mifandraika amin'izany ny fomba fijery sy fiasan'ny dokotera ka ao :

Voalahany dia misy ireo manamafy fa ny tarazo sy ny fihinanana sira sy siramamy voahodina be loatra no asiam-piheverana fatratra raha tsy te ho voan'ny diabeta.

Ny resaka tarazo moa dia misy manamafy fa tsy azo ihodivirana satria lova araboajanahary niampita hatrany amin''ireo raiamandreny tany aloha tany.

Na izany koa aza anefa dia misy manohana ny hevitra fa azo atao tsara ny mikolo fomba fiaina (style de vie) mba tsy hiaran'ny izay raketin'ny ADN isika taranaka taty aoriana.

Ny faharoa indray moa dia mazava be ny làlana raha tsy te ho voan'ny diabeta :

AJANONY tanteraka ny fihinanan- tsiramamy fotsy mangirana izay vokarin'ny orinasa mpamokatra izany.

Toy izany ihany koa ny tokony hifadiana ny fankafizana tavinkanina izay avy amin'ny biby ( graisses animales) ka mampita amin'ny vatan'ny olona ireo selantavy (cellules adipeuses ).Izy io no mahatonga ny fahatavesana ( obésité ) izay tena sarotra ahilika na esorina rehefa tonga any amin'ny fahalehibeazana.

Ao ihany koa anefa ireo miaro ny hoe, ny fanamafisana ireo hery fanoherana ny tsy firindrana eo amin'ny fiainan'ny olona no tokony hatao fa tsy ny fitadiavana sy fianteherana amin'ny fanafody simika sy ny fitsaboana mahazatra.

Mametraka ho zava-dehibe ny fanovana fomba fiaina (style de vie) mahakasika ny sakafo indrindra indrindra izany fomba fijery (approche) faharoa izany.

Zavatra telo lehibe no tsy maintsy jerena amin'izany.Ka raha tsy te hovoan'ny deabeta na ireo aretina miankina aminy (états associés) ianao dia :

a) MISOTROA RANO MADIO na nodiovina satria 1% ihany sisa ny rano madio ety ambonin'ny tany.Aza mihevitra fa ireo rano anaty tavoahangy plastika dia azo antoka. 24520 no isan'ireo poizina entin'ny tavoahangy plastka iray.Koa raha tsy mahita fomaba hanadiovana ny rano ao anatint ianao dia andatsaho ravina thyn,persil na fenouil, na ranona voasary makirana na tanimang na sira tsy voahodina ao anatiny.

Misotroa rano 1 litatra sy sasany isan'andro fara fahakeliny fa ilain'ny vatana sy ireo taova samihafa mandrafitra ny tenentsika izany.

b) MITAIZA FOMBA FISEFOANA vaovao toy ny ataon'ireo manao Yoga mba ahazoana mampiditra tsara ny rivotra ao amin'ny vatana.Zava-dehibe faharoa miantoka ny fahavelomantsika izy ity ankoatry ny rano satria mitondra angovo ho an'ny tena iray manontolo.

Misy karazany roa io fomba fisefohana ( respiration yogique) io ka azonao tadiavina any amin'ny bokina Yoga na anontaniana ireo mpanao izany fitaizan-tena amam-panahy izany ny momba azy.

Izy ireo moa dia ankoatry ny fomba fisefohana mahazatr ( respiration normale ) izay fatantsika satria efa niainantsika tanteraka.

d ) OMEO LANJA SY HASINA ny fisian'ny hery/angovo mandarafitra ny tontolo ka ao anatin'izany indrindra indrinda ny manododina sy ny mombamomba ny TENA-nao.

FEHINY :

Isika tsy voatery hiditra amin'ny fifandrohitan-kery eo amin'ny fomba fitsaboana mahazatra na ireo mpandala ny natiora satria toy ny sakamalaho sy avozo ireo ka samy manana ny hanitra ho azy.

Saingy izao kosa, manana ny maha izy azy ny tsirairay izay IZY IRERY no afaka mahatsapa ireo hafatra ampitain'ny tena amam-batany izay ilaina eo amin'ny fitsaboana na fanarenana izay tsy mety na avy aizana ary na inona na inona antony nahatonga izany.

Ho asiantsika tohiny ny momba izany rehetra izany amin'ny asabotsy faha-30 oktobra ho avy izao.

Misaotra anao betsaka niara-dia hatreto.

16/10/2019

Ny asabotsy izao izao lay conference-debat goavana momba ny tantaran'ny Madagasikara ho antsika eto @groupe ,ny lohahevitra dia ireto:

-NOSINDAMBO LEMIORIO:Madagasikara sy ny niforonany ary ny nahatonga ny anarana hoe MALAGASY

-MADAGASIKARA SY NY KRISTIANISMA

-NY FANJAKANA ARINDRA SY NY CLUB DES 48

-MATY VE RATSIMANDRAVA

Ny toerana dia eo @BLUESTAR ANTANIMENABE ROUTE D'ANOSIPATRANA(Izay ho avy dia eo @ arret Andavamamba no fotoana @12 ora sy sasany),ny fotoana kosa dia manomboka @1 ora tsy diso.

Misy saram-pidirana ary misy boky sy documents ho zaraina.

Izay ho avy dia misorata anarana any @mp na miantsoa ireto laharana ireto:0341792031-0333711542.

Tongava maro fa io ihany no fampahafantarana Tantara amin'ity taona ity ary zava-miafina maro no ho hita ao.

misaotra tompoko

PITIKEVITRA
02/10/2019

PITIKEVITRA

PITIKEVITRY NY DIABETA MPAMONO TSY RE TSAIKA (tueur silencieux )

FAMARITANA TSOTRA : ny diabeta dia azo lazaina fa anisan'ireo aretina efa tranainy ihany.

Ny voalaza fa mahatonga azy ary be mpilaza moa dia na, avy amin'ny tarazo ( gènes) na vokatry ny fihinanana siramamy (sucres ajoutés) sy tavinkanina ( graisses) be loatra.

Mety misy mahamarina an'izany fa araky ny fanazavana nataon'Andriamatoa Gabriel COUSENS taty aoriana dia tsy ireo loatra no tena fototr'aretin'ny diabeta fa ireo poizina ( toxines ) izay mivangongo etsy sy eroa ao anatin'ny vatana izay miteraka fikorontanana eo amin'ny firindran'ireo fiovana ara-tsimika ( métabolisme) ataon'ny vatana ihany koa indrindra izay miseho any anatin'ireo sela ( cellule) mandarafitra izay rehetra momba ny vatan'ny olombelona.

IREO VOKA-DRATSIN'NY DIABETA :

Hatramin'izao dingan'ny tratran'ny fahalalana izao dia 12 farafahakeliny ny tangoron'aretina entin'ny diabeta ( états associés) ka ny fito no voalaza eo amin'ny sary fa ireo ambiny dia ho tanisaintsika eo ambany ihany.

HATRANY ANTAMPON-DOHA KA HATRANY AMPALADIA;

Azo lazaina fa saika mandrakotra ny maro amin'ireo taovan'ny vatan'ny olona tratrany mihitsy ny diabeta satria ao :

1°) ny fahatapahan'ny lalandra na A.V.C. any amin'ny atidoha izay mety hiampy ny maladie d'Alzheimer ;

2°) ny fahajambana ( cécité) rehefa tratrany ny hoza-maso izay voalaza fa tsy ahitam-panafana ( irréversible) ;

3)° ny "angine de poitrine/ infarctus du myocarde" vokatry ny fahafatesan'ny faritra kely na lehibebe kokoa ao anatin'ny fo noho ny asan'ny diabeta;

4°) aretin'ny voa : tsy mahavita ny asa fanadiovana tokony hataony intsony ny voa satria BE LOATRA ireo poizina tafiditra ao aminy ka tsy voahiliny intsony;

5°) ny "neuropathie" moa dia aretin'ireo hozatra ivelan'ny atidoha sy ny tsoka ( SNP)

6°) ny arterita izay aretin'ny hozatra mihatery noho ny diabeta ihany ka tsy tody any amin'izay mila azy ny ôksyzena;

7°) Ny Dridra ( ulcère/ mal perforant ) dia fery eo amin'ny hoditry ny tongotra sy ny ratsan-tongotra matetika ka ilay faharoa dia miampy tsy fandrenesana marary no tena maha loza azy.Mety hiafara amin'ny fanapahana ny rantsana voa na ny tongotra mihitsy aza izy ireo.

Ao koa ireo vokatra hafa izay tsara ho fantantra ihany na mety ahitana tsy fitovizan-kevitra eo amin'ny rehetra aza :

a) ny "impuissance" izay mety ahavoa ny lehilahy diabetika;

b) Ny aretin'ny hihy sy ny nify;

d) ny fahanterana mialoha ny fotoana ( vieillissement précoce) noho ny asan'ireo atao hoe "radicaux libres" izay sela mpanakorontana gaigilahy;

e) Ny "maladie de Dupuytren" izay mahatonga ireo ratsantan-tànana hikainkona tanteraka ary tsy ahitam-panafana. Ny MTC na "médicine traditionnelle chinoise" anefa no milaza izany izay tsy mbola eken'ny literatiora ara-pitsaboana frantsay ohatra.

f) Ny "maladie d'Alzheimer" izay fahadalana tsotra ( démence) manankorontana ny fitadididiana sy ny fisainana aman-toetra.Tsy mbola eken'ny rehetra izany fa ry zareo Amerikana no eo anadalam-pikarohana mba handesohana na hanohanana izany.

FEHINY : Maro no tsy mahafantantra; ao ireo tsy mivaky loha amin'ity diabeta be forongon'aretina noresahantsika ity. Manaporofo izany ireo antontanisa faramparany ho an'i Madagasikara fa olombelona 35 000 fotsiny amin'ireo 600 000 heverina fa voan'ny diabeta no manao fitiliana ankoatry ny tsy fahampian'ny fitaovana momba izany.

Koa anjarantsika tsirairay ao anatin'ny maro ary ny mizara izay kely fantantra mba ahazoana manatanteraka ilay hoe "ALEO HONO MISOROKA TOY IZAY MITSABO"

Misy fitandremana azo raisina ary ve mba hialana amin'ity valanaretina mandrakotra ny tany ity nefa tsy re tsaika nefa dia mampihena 10 - 19 taona ny fepotoana iainan'izay tratrany ?

Izay indray ary no lohahevitry ny Pitikevitry ny diabeta amin'ny alarobia faha 16 oktobra 2019.

Adresse

17bis Rue Viliot
Paris
75012

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque Ny Trano Kolotoraly Malagasy Andafy - Maison De La Culture De Madagascar publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Contacter L'entreprise

Envoyer un message à Ny Trano Kolotoraly Malagasy Andafy - Maison De La Culture De Madagascar:

Organisations à But Non Lucratifss á proximité

Autres Organisation à but non lucratif à Paris

Voir Toutes

Commentaires

DIMANCHE 26 JANVIER - 18:45 Cinéma l'ECRAN - Saint-Denis (93) QUAND LES ÉTOILES RENCONTRENT LA MER Séance en présence du réalisateur, Raymond Rajaonarivelo et suivie d’une rencontre dans le cadre des 20es Journées cinématographiques https://www.lecranstdenis.org/journeescinematographiques/festival-la-vie-est-un-songe/
Esque vous pouve mes donnes des reponse sur les apport des civilisation etrange a madagascar.
joyeux noel henri
Diarin ny Praiminisitra Rainilarivony
C'est la pleine lune de la Jyotsish ou Astrologie védique... Chez eux, le calcul se base sur la conception et non pas la date de naissance comme en occident pour definir le thème natal.
onjour, Hosea no anarako, hanoy ny fianarako "Théologie" any Collonge-France amin'ny septembre ho avy zao.eo am-pikarakarana visas za amzao kanefa mbola tsy ampy amin'ny dossierko ny "prise en charge", point important ndrindra ao amin'ny procedure. Mba mangataka fanampiana avy any aminareo tompoko raha mba azo atao amin'io lafiny iray io. Marihana fa tsy misy vola hiala @ comptenareo fa formalité fotsiny ilay izy. Mba miangavy izay mb afaka manampy tompoko. Eto am-piandrasana valin-teny,raiso tompoko ny haja atolotro anreo.
Misy anglisy Daniel tia an'i Madagascar
boky mampianatra sy manoro ny tantaran'ny Madagasikara
ampahany @reo boky tsisy mpanana intsony aty Madagasikara